1 Fihirana fiakarana*. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.

3 Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4 Tahaka ny zana-tsipka eo an-tnan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
